Voices for Democracy and Justice is an independent platform run by independent and citizen journalists, amplifying stories about democracy, human rights, justice, and the issues shaping communities across Madagascar.

 

We cover politics, governance, environment, climate justice, education, health, inequality, media freedom, corruption, and community rights. We give space to voices that are often ignored or silenced, while remaining independent from political and institutional influence.

 

Support independent journalists telling stories that matter.

Contact: contact@voicesofordemocracyandjustice.org

Zo:

26 aogositra 1789 no nanambaràna tao Frantsa ny zon'olombelona sy olompirenena. Fotoana manandanja teo amin'io firenena io izany noho ny fanoherana ny fahefana tsirefesimandidy nananan'ny mpanjaka. Natsangana ny zo hiarovana ny malemy manoloana ny matanjaka. Zon'ny olompirenena tokony hajain'ny manampahefana satria mba manam-pahamendrehana ihany ny ain'olombelona na tsy mitovy harena, tsy mitovy fahefana, tsy mitovy saranga ary tsy mitovy fiaviana sy finoana aminao aza. 

 

Zon'ny vahoaka voagejan'ny fanjanahantany ihany koa manoloana ireo firenena matanjaka te-hitrandraka ny harena any an-kafa. Singa iray nivoaka tao amin'io fanambaràna tao Frantsa io ny zo hanohitra ny tsy rariny, saingy tsy zakan'ny mpitondra izany amin'ny ankapobeny na aiza na aiza. Tsy mahazaka toherina ny olona nefa tsy maintsy mizaka izany.

 

Adidy:

Trosa tsy maintsy zakain'ny olona mihevitra ho mahaleotena sy na mahazaka tena. Trosa aloa isan'andro isan'andro ho fampanjakana ny fitovian-jo. Adidy tsy maintsy zakaina ny manao izay hampiharana ny zo fa raha vao matoritory dia mihamahazo vahana indray ny tsi-rariny. Tsy ho tontosa anefa izany raha tsy misy ny firaisankina sy ny firaisantsaina. Ny vola no singa manavaka ny manankarena miaraka amin'ny manampahefana ahafahany manindry ny hafa, tsy azo tsinontsinoavina noho izany ny fifanampiana ara-bola.

 

Ny vola fitady ary ny herim-po fanary, hoy isika Malagasy, fa na ahoana na ahoana tsy maintsy manokam-bola isika hiarovana ny zo tokony ho tsy azo esorina amintsika. Anananay ny finiavana hampanjaka ny demôkrasia sy ny zon'olombelona fa tadiavinay kosa ny fiarahantsika rehetra mientana. Andao isika hifanampy na amin'ny torohevitra na amin'ny tonombola. Manorata aminay raha misy azonareo ifanampiana fa isika ihany no tsy maintsy mifampiaro. Ho ela velona ny zo hiteny! Ho ela velona ny zo haneho hevitra ankahalalahana!

SPEAKING TRUTH, DEMANDING JUSTICES

Why Every Voice Matters in a Democracy

Democracy depends on participation. In times of injustice, silence helps the oppressor not the oppressed. Every voice no matter how small has power.

Voices for Democracy and Justice in Africa exists to amplify those often unheard. Whether you're voting, protesting, creating, or simply speaking out, you're part of the movement for change.

Raise your voice. Justice and democracy need all of us.